Ny Olomanganao (Odéam RAKOTO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitsangàna mifohàza
Ry natory elabe izay
Ny olomanga sy malaza
Teraky ny Nosindrazana

Ireo kamboty sy tsy manana
Te ahita fiadanana
Fa ianao manan’aina
O ry olo-manan-tsaina

Injao miantso anao ny feo
Injay ny havanao jereo
Mitsangàna, mianàra
Ho an’i Madagasikara

Ireo ny olomanganao
O ry Madagasikara
Aza atao kilalao
F’efa tendry sady anjara

Izay tsy tia ny an’ny tenany
Dia tsy maintsy anenenany
Fa manary ny mavamavana
Iomehezan’ny mpitaza

Ireo ny olomanganao
Malalantsika fa hajao
Misondrota, miakàra
O ry Madagasikara
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Odéam RAKOTO
Hits : 897
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 26/08/2018 11:45
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759