Adidiko ianao (Ny tsantan'ny famonjena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo niteny sy nandatsa ahy
Aiza izay Andriamanitrao
Tsy kivy anefa aho
Fa vao mainka koa
Niantso Anao ry Raiko Tsitoha

Ny lalana izay nodiaviko
Nanefenao ahy Ray Tsitoha
Mba hinoako sy hitokisako
Ny herinao Andriamanitro

Fa Ny zanako, Ny asan'Ny tanako
Aoka ho adidiko ihany Hoy Ianao
Ny zanako ,ny asan'ny tanako
Aoka ho adidiko ihany Hoy Ianao

Ny ranomasoko nilatsaka
Tsy avelako ho very
Fa hangoniko ho tsangam-bato
Hiderako Anao Ray Tsitoha

'Reo voasedra noho ny Anaranao
Aoka tsy ho solafaka
Fa mba hajoroy ka asehoy
Fa Tompo Ianao mandrakizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny tsantan'ny famonjena
Hits : 1261
Likes : 1 Like
Created by : Fanaja Mandranto
Date : 13/03/2017 09:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742