Namako (Ny Tsanta Fitoriana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Namako, ndao hiara-dia
Hankalaza, 'lay Tompo be fitia
Moa ianao ve? tsy mbola nahare?
'Lay feo miantso hoe: "avia"
Ankehitriny izao, 'lay Jesosy miantso anao
Ka aza miandry ela sao taraiky
Dieny mbola tsy voakapoka ianao
Andao hiara-dia, aminay
Namako, ndao hiara-dia
Hankalaza,'lay Tompo be fitia
Moa ianao ve? tsy mbola nahare?
'Lay feo miantso hoe: "avia"

2- Namako, ndao hiara-dia
Fa Jesosy, no hampifankatia
Tsy hanavaka, anao izay solafaka
Fa Izy no miantso hoe: Avia
Ankehitriny izao, 'lay Jesosy miantso anao
Ka aza miandry ela sao taraiky
Eny tsapanao, fa tsy mety ny natao
Ny fiverenanao, izao no ilainy
Namako, ndao hiara-dia
Fa Jesosy, no hampifankatia
Tsy hanavaka, anao izay solafaka
Fa Izy no miantso hoe:
"Avia,,, avia"
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Tsanta Fitoriana
Hits : 1597
Likes : 2 Like
Created by : 1708mbola
Date : 07/06/2018 16:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729