Izay mino sy matoky (Ny Onja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay mino sy matoky ny fitiavaNY
Dia miaina tsy amin-drofy sy tena havany
Fa izy no mpandresy mitondra hery vao
Miaro sy mpamefy mitantana anao

Matokia ianao fa Jesoa no hany tokinao
Na faly ianao na ory dia tiany hatrizao
Mananjara ianao fa Jesoa no hampandroso anao
Ho ao an-tranon-dRAY rehefa hiala ety rahatrizay

Izay mino sy matoky ny fitiavaNY
Dia miaina tsy amin-drofy sy tena havany
Fa izy no mpandresy mitondra hery vao
Miaro sy mpamefy mitantana anao

Koa meteza ianao fa Jesoa no mpanasitrana
Ny aretina aman-drofy mahazo ny fonao
Manantona ianao fa Jesoa no mpanome fitia
Mpamafa ranomaso mampody izay nania taminy

Izay mino sy matoky ny fitiavaNY
Dia miaina tsy amin-drofy sy tena havany
Fa izy no mpandresy mitondra hery vao
Miaro sy mpamefy mitantana anao

Mandefera ianao fa Jesoa no ilay mpampakatra
Hanandratra ho avo ny voninahitrao
Mivonóna ianao fa Jesoa ho avy tampoka
Tsy ampoizinao akory tsy mampiomana mialoha.

Izay mino sy matoky ny fitiavaNY
Dia miaina tsy amin-drofy sy tena havany
Fa izy no mpandresy mitondra hery vao
Miaro sy mpamefy mitantana anao

Izay mino sy matoky ny fitiavaNY
Dia miaina tsy amin-drofy sy tena havany
Fa izy no mpandresy mitondra hery vao
Miaro sy mpamefy mitantana anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Onja
Hits : 70
Likes : 0 Like
Created by : Jockl
Date : 27/09/2024 08:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734