O ry sakaiza (Ny Menafify)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry sakaiza sakaizako o!
Mba fantrao ve iza moa Jeso
Ilay sahy nanolotena ho anao
Ho fampihavanana izao tontolo izao

Efa hatrin'ny ela no fantatro re
Fa Izy ihany no Tompo lehibe
Ka tsy misy ataoko ho rehareha
Afa tsy ny hazo fijaliany re


O ry sakaiza ndeha zahao Jeso
Fa miandry anao izy namako o
Aza variana fa efa injao henoy
Mandondona ny fonao re vonony

Mihainoa isika rehetra ety
Miverena ry ondry izay nania
Fa ny Tompo mampanantena anao
Izay ao am-bala feno aina vao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Menafify
Hits : 7587
Likes : 1 Like
Created by : stevejenny
Date : 28/02/2019 12:02
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732