O! Avelao (Ny Menafify)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hm, hm
O ! avelao (amin’izay)
Reo ota maro (hatr’izay)
Adinoy (ho vita hatreo )
Reo mombamomba (az’ireo)
Koa banjino ny hoavy
Hiandrandranao fiainana
Ilazao ny mpianakavy
Jeso no fiadanana

Mandehana hazavao ,reo zay mety ho namanao
Manodidin’itorio ka Jeso hoe mba fidio

O ! mivonona (o ! misikina)
Ny fahalainana ario
Itafio ny toetra vao
Mba tsy hanenenanao
Koa banjino ny hoavy
Hiandrandranao fiainana
Ilazao ny mpianakavy
Jeso no fiadanana

Mandehana hazavao ,…..

O !miainga (ka malakia)
Ndeha ho roso izao ny dia
Tsy mba misy mampanahy
Jeso Tompo no mandray
Koa banjino ny hoavy
Hiandrandranao fiainana
Ilazao ny mpianakavy
Jeso no fiadanana

Mandehana hatraiza hatraiza ,ilazao ireo sakaiza
Manodidin’itorio ka Jeso hoe mba fidio

Jeso mba fidio ,teniny torio , omaly sy anio ,tsy miova anie izy io
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Menafify
Hits : 1049
Likes : 0 Like
Created by : Ra Pa
Date : 11/04/2017 21:27
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728