Izaho mbola matoky anao (Ny fanilo feat ny avo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na toa tsy ho azoko izay nantenaiko
Zaho mbola matoky anao
Na dia tsy anio ny valin'ny tarainako
Zaho mbola matoky anao
Ny mafy izay lalovako anio
Manamafy ny finoako Anao
Ny sarotra 'zay iainako anio ihany
Tsy ampiverindalana ahy

Fantatro fa Ianao tsy hanary ahy
Fa lehibe ny fitiavanao
Ny ainao aza efa natolotra ahy
Mba ho fanavotana ahy

Ny foko dia hanandratra anao Jesoa ô!
Ny vavako hidera anao
'Taoko sanatria ny hanome tsiny anao
Raha toa tsy mety izay atao
Satana dia nandositra avy hatrany
Satria Zaho mbola matoky anao
Nandalo teo ny sento sy tomany nefa
Izaho mbola natoky anao

Ianao izay mety handalo ady koa e!
Tsy miady irery ianao fa mbola ao Jesoa ô!
Ilay vatolampin'ny fiainanao e!
Izy tsy hanary anao
Ianao izay mety...x2
Ny Ainy efa nafoiny ho anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny fanilo feat ny avo
Hits : 2456
Likes : 0 Like
Created by : mamitiana00675
Date : 23/11/2021 22:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0781