Ny alina (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: Azafady e !
Azafady indrindra re re olona o !
Aza misy re manelingelina
Fa sarobidy amiko...
Fa sarobidy amiko e !
Ny alina

Dokotera anie aho re olona o !
Mpikarama anie aho re olona o !
Vonon-kiasa ho anareo anie aho e !
Sahirano maraina na ny atoandro na ny hariva.....Tsy maninona
Fa ny alina kosa re mba aoka e !
Fa mba misy zavatra ataoko manokana
Tena ahy manokana

Ref:

Pastera anie aho re olona o !
Olo-masina aho ry zanako o !
Vonon-kivavaka ho anareo aho e !
Sahirano maraina na ny atoandro na ny hariva....Tsy maninona
Fa ny alina kosa re mba aoka e !
Fa mba misy zavatra manokana
Tena ahy manokana

Ref:

Mpivady vao zahay re olona o !
Vao natao mariazy anie aho e !
Dia volatantely ny ahy io e !
Ka vangio maraina na ny aroandro na ny hariva....Tsy maninona !
Fa ny alina kosa re mba aoka e !
Fa mba misy fiainana ataonay manokana
Tena anay manokana

NY AINGA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Ainga
Hits : 3492
Likes : 0 Like
Created by : cmbolatiana
Date : 14/09/2016 10:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731