Isika roa (Njara Marcel sy Nanie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atolotro ho anao ny fitiavako androany
Tsy manana ankoatra anao aho
Fa ianao no andry iankinako
Tsy hiteny intsony aho hoe : TIAKO IANAO
Efa maro loatra no nampiasa, izao
Sokafy ny ato am-poko
Isika roa no mahalala izany

Ilay ENY anakiroa
Ho lasa anarana iray
Hamolavola ilay lalantsika
Ho mandrakizay

REF :
Ilay fitia nifampizarana
Ireo disadisa aoka ifamelana
Tsy andriko intsony
Ny anorohana anao
Fa ho antsika izao tontolo izao
Ilay fitia nifampizarana
Ireo disadisa aoka ifamelana
Tsy andriko intsony
Ny anorohana anao
Efa nohamasinina izaho sy ianao
Isika roa, no hiara-droa (X2)

Raha mba fantatra koa mantsy
Ny ao am-poko malala
Ireo tsiambaratelontsika roa
Tsy ankizarazara
Hiaraka hifanatitra aminao e
Ho modelin’ireo zanakao
Ho latsa-paka mandrakizay
Tsy hisaraka

Ilay ENY anakiroa
Ho lasa anarana iray
Hamolavola ilay lalantsika
Ho mandrakizay

REF :
Ilay fitia nifampizarana
Ireo disadisa aoka ifamelana
Tsy andriko intsony
Ny anorohana anao
Fa ho antsika izao tontolo izao
Ilay fitia nifampizarana
Ireo disadisa aoka ifamelana
Tsy andriko intsony
Ny anorohana anao
Efa nohamasinina izaho sy ianao
Isika roa, no hiara-droa (X2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njara Marcel sy Nanie
Hits : 264
Likes : 0 Like
Created by : Tokony
Date : 16/08/2025 18:48
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2122