Tsara ny fitiavana (ft Francia) (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsara ny fitiavana nomen’Andriamanitra,
ho fifankatiavana ho an’ambany lanitra
Raha ny fisainana no hanjakam-pitiavana,
soa fa ny fiainana fa dia manan-kavana

(fa isika anie) isika anie natao hifankatia
Tsy nirahina (tsy voairaka) hifanenjika isika ety
Ka asakasak’ireo izay tsy mba mifankatia
Fa tsisy mihoatra ny fitia

Mamy ny fitiavana eo @mpianaka
Zay no fanasoavana an’ireo taranaka
Kanto ny fitiavana, zarain’ireo namana
Tsita fitadiavana fa efa fananana

(fa isika anie) isika anie ……………………..

(instru)

Kanto ny fitiavana hiarahako aminao
Tsy ho fitarainana, ary koa tsy hifandao
Voalaza fa ireto telo reto no mitoetra
Mmh, finoana , fanantenana ary fitiavana
(Fa ny lehibe indrindra) ny lehibe indrinadra @ireo
Dia dia dia ny fitiavana
Kanto ny fitiavana hiarahako aminao
Tsy ho fitarainana, ary koa tsy hifandao
Na na na na…………………………….
Mamy ny fiainana, kanto ny fitiavana

Tsara ny fitiavana nomen’Andriamanitra ho fifankatiavana
Ho antsika ety, ety ka hatrany an-danitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njakatiana
Hits : 8098
Likes : 1 Like
Created by : iriana.ranaivo
Date : 27/07/2017 12:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199