Mba ho any (Nirina-R)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny faniriako ry tiana ny hitoetra mangina
Eo anilanao
Nefa ny tenako raha mba manatona anao
Dia ilaozanao
Efa nolazaiko anao ianao tsy nihaino
Fa lasa nandeha
Inoako f'efa fantatrao ny tiako hambara
Ka asa re

Mba ho ento(2)mba ho ento aho
Mba ho ento hanaraka anao
Aza avela irery aho, fa hanaraka anao

Irery, irery aho irery, ianao tsy nijery
Fa lasa nandao
Nangaihay ny foko efa nanantena
Ny ho eny aminao
Handeha aho, handeha aho handeha, izany foana
No mba teninao
Ka indrisy fa nihombo ilay fery t'anatiko tao
Noho ianao

Mba ho any (2) mba ho any aho
Mba ho any hanaraka anao
Aza avela irery aho, fa hanaraka anao

Ny faniriako ry tiana ny hitoetra mangina
Eo anilanao
Nefa ny tenako raha mba manatona anao
Dia ilaozanao
Efa nolazaiko anao ianao tsy nihaino
Fa lasa nandeha
Inoako f'efa fantatrao ny tiako hambara
Ka asa re

Mba ho ento(2)mba ho ento aho
Mba ho ento hanaraka anao
Aza avela irery aho, fa hanaraka anao
Mba ho any (2) mba ho any aho
Mba ho any hanaraka anao
Aza avela irery aho, fa hanaraka anao (2)

A/C: Désiré RAKOTONIRINA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Nirina-R
Hits : 1694
Likes : 2 Like
Created by : Nirina-R
Date : 18/04/2017 10:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722