Tsara tso-drano (Nate Tex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza aterina akory fa efa hoe hita ny làlana mody
Dia ianao aloha toneo koa ny fo sanatria raha hoe hiantso tody
Fa fitiavana tsy hifanerena ka lasa izy aleo koa handeha
Rehefa izay ve ny tiana, veloma ry 'tony fa ianao ko ve handà

'Lay toky nomena najary any an-kafa no lasa nitoetra
Dia ilay hoe "Tiako ianao" sofina hafa indray izao no mihaino azy
Ianao tsy hanenina fa ho tantara ny vita rehetra

Veloma indray aloha ny anio fa tsy ho ahy ianao
Dia izao 'ndray no tadidio fa nanome ny tsara indrindra aho
Nefa ilaina ny hatsiaka na dia mamirifiry
Mbola arora anie ny faikany na mamy ary ny fary
Dia izao no tsarovy
Nafoiny
Tsara tso-drano ianao

Fa fitia vao omaly navelany hamono ilay afo nafana
Dia ilay fo feno anao nampodiany nahatofoka, tsy nahatamana
Na voady nekena narodany, ianao hony tsy afaka intsony
Ka naleony nanidina fa hary elatra hono ny fony

Ilay toky nomena najary any ankafa no lasa nitoetra
Dia ilay hoe "Tiako ianao" sofina hafa indray izao no mihaino azy
Ianao tsy hanenina fa ho tantara ny vita rehetra

Veloma indray aloha ny anio fa tsy ho ahy ianao
Dia izao 'ndray no tadidio fa nanome ny tsara indrindra aho
Nefa ilaina ny hatsiaka na dia mamirifiry
Mbola arora anie ny faikany na mamy ary ny fary
Dia izao no tsarovy
Nafoiny
Tsara tso-drano ianao
--------
Link:
Comments
hertman.rakoto ( 21/01/2018 12:10)
mahafinaritra le gadon eh! I Like!
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Nate Tex
Hits : 52224
Likes : 6 Like
Created by : Binea
Date : 13/10/2017 19:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729