Satria Tiako Ianao (Nanie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha toa ka lasa ny fisainanao
Ireo teny mamiko indray iainanao
Tsy hoe vaovao, fa fantatrao
'Reo teny tsotra hoe: "tena tiako ianao"
Raha misy any ho any
Afa-milaza zany
'Zaho akory tsy manahy
Tsy mitovy (ny) fitavany sy ny ahy

Ny endrikao, ny fihetsikao
Ny angolanao, ny tenanao rehetra
Ny mombamomba anao, etsetra etsetra...
Efa voateny, efa voatety ny fitiavako
Ka matokia, tsy anio ihany fa ho doria.

Anhh...

Raha sendra kivy ianao
Inty, eto aho
Olon-tia anao, sady namanao
'Reo toky izay omeko, efa ekeko
Toky tsotr(a)'izao: "tena tiako ianao"
Raha mafy sy mahery ireny sedra ireny
Ho levona avokoa
Fa isika roa hifankatoa
Iombona tokoa

Ny endrikao, ny fihetsikao
Ny angolanao, ny tenanao rehetra
Ny mombamomba anao, etsetra etsetra...
Efa voateny, efa voatety ny fitiavako
Ka matokia, tsy anio ihany fa ho doria.

Ny endrikao
...
tsy anio ihany fa ho doria (x N)
--------
Link:
Comments
bozypisou ( 04/08/2015 14:11)
tsara loatra ty hira ty
hery ( 14/08/2023 16:32)
Ary any an-kafa (youtube sns) Tena tia no lohatenin'ity hira ity
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Nanie
Hits : 23687
Likes : 3 Like
Created by : NjaraS
Date : 26/01/2015 20:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1125