Nahoana no misy ? (Mme Naly sy Ludger)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(x2)
Nahoana no misy ny lanitramanga,
Ilalaovan'ny rahona manangasanga?
Nahoana no misy ny alina tony,
Amirapiratan'ny volana eny ambony?
Nahoana, rkeufl jjqyam oiakmxk nahoana ny tany no feno hosodoko,
Ravahin-tsahondra sy felan’avoko?
Nahoana no misy ny rano an’ony?
Nahoana no misy ny hazo mamony?

Raha fantatrao ny mampisy an’ireny
Kalo mangina fa tsy mba tononkira.serasera.org miteny,
Bitsika moana tsy hira miloko,
Sary mivainga natao rindram-peo
Raha fantatro ny mampisy an'ireo,
Dia ho fantatrao ny antsan'ny foko!

Raha fantatro ny mampisy an'ireo,
Dia ho fantatrao ny antsan'ny foko!

Tonony : Emilson Daniel Andriamalala (E.D. Andriamalala) (1918-1979)
Compositeur : Naly Rakotofiringa

--------
Link:
Comments
Kotsur ( 21/05/2026 15:41)
Ilay Version Noelson & Denise no ananako. Raha mba misy manana io version originale vers 1967 dia mangataka indrindra tompoko.
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mme Naly sy Ludger
Hits : 198
Likes : 0 Like
Created by : Kotsur
Date : 21/05/2026 15:39
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0289