Misy olon'ory sy mahantra (Mimosa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MISY OLON’ORY SY MAHANTRA
(MIMOSA - FLM ANTSIRABE)

Misy olon’ory sy mahantra ao
Vonjeo fa namana
Ota no manimba sy mandratra ao
Vonjeo fa namana
Misy azonao atao
Hamonjena azy ireo
Antenaina ianao
Vonjeo fa namana

" refrain "
E mijaly, sao ho faty
Vonjeo fa namana
Mbola azo antenaina
Mbola misy fofon’aina
Aoka ikelezan’aina maika
Vonjeo fa namana

Fahavalo aza asaina tiavina
Vonjeo fa namana
Maika fa ny Malagasy namana
Vonjeo fa namana
Vola sy harena koa
Misy ao antananao
Ento hamonjena ireo
Vonjeo fa namana

" refrain "
E mijaly, sao ho faty ...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mimosa
Hits : 2253
Likes : 0 Like
Created by :
Date : 19/08/2002 18:01
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0777