TSY MENDRIKA (MIALY RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho haiko adinoina izany fanavotany
Ilay IZY novonoina ho ahy tao Kalvary

Izaho koa mahatsapa fa fitiavan-dehibe
Tsy ho haiko tantaraina no nomen’ny Tompo ahy re

Réf : E ! tsy mba mendrika ity izaho notiavinao
Natolotrao ny tenanao
K’ilay ranao nalatsakao foinao tokoa
Mba hanasa sy hanadio ity foko feno ota ity
Jesoa ! misaotra Anao (2)
Tra-pamonjena ity mpanota navotanao
Ho setrim-pitiavanao dia vonona aho
Hanolotra ny androm-piainako ho Anao
Hanao ny sitrakao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : MIALY RAKOTOMAMONJY
Hits : 1902
Likes : 0 Like
Created by : Mi_La
Date : 28/02/2019 12:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072