Efa nifanaiky (Mc Caïm's X Caïllah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Caïllah an an an
Mc mc Mc Caïm's no eny am-pototsofinao
Swing swing
Caïllah :
Efa nifanaiky fa hifankatia mandrakizay doria
Hifanaja n'aiza n'aiza misy an-dry
Ka aleo ho loza ho anahy
Raha sendra misy fahadisoako
Nefa hinoako anefa tena tsapanao
Fa matoa nanaiky
Fitia maherivaiky
Ny ankoatranao taraiky
Tsisy hahasolo 'lay toeranao ato anatiko

Fa efa nifanaiky izaho sy ianao
Hoe n'iza n'iza handalo eo tsy haharava
Na hoe poizina, tsy ho laitran' ny hozongozona
Fitiavana efa marina io, tsy ho rava fa mafy orina

Fa na ny hatramizay na ny anio na ny omaly
Na ny lasa na ny ampitso na izay mbola ho avy
Dia tsy miova ny ahy ny toky efa nomeko
Dia tsy miova ny ahy 'lay voady efa nekeko
Fa ho anao, ho anao, ho anao irery aho
Mandrakizay izaho my love
Vonona hanome anao izaho
Lay hoaviko manontolo
Na dia afo fa fantatra fa mandoro
Dia ho anao irery hatrany hatrany aho
Fa ny foko no mibaiko
Dia ny ankoatra anao tsy ilaiko
Aza omena tsiny raha hitomany aho
Fa tena babonao
Fa efa lavo aza aho
Dia mbola noraisinao
Satria efa nifanaiky izaho sy ianao
Hoe ianao anahy dia izaho indray ho anao
Tena tiako loatra ianao

Fa efa nifanaiky izaho sy ianao
Hoe n'iza n'iza handalo eo tsy haharava
Na hoe poizina, tsy ho laitran' ny hozongozona
Fitiavana efa marina io, tsy ho rava fa mafy orina
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mc Caïm's X Caïllah
Hits : 828
Likes : 0 Like
Created by : Mc caïm's El jafar
Date : 13/06/2019 10:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742