Ila (Lucien Randrianina feat Gôgô)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitaratra mitsilo ny ety antany ny masoandro
Manazava ny fiainan'ny rehetra eny isan'andro
Izay tandrifiko anefa malok'ila toa mikombona
Ka zary ny fiainako rehetra no manjombona

Somambisambin-diavolana no mba namako
Manasaka izay rehetra mavesatra ampelatanako
Ny rivotra mitsooka toa mitondra fahoriana
Ny mason'ny Alina mampanembona olontiana
_-----------_
Mbola manafy fò aho fa ho tafarina
Atsy ho atsy no andrandraiko ilay fiadanako marina
Hivavaka mangina aho hangataka aminao ry RAY
Asa koa ny vavaka ataoko raha mety ho voaray

Sento lava no hiainako toa tsy ho rava ny tarainako
Hiezaka aho ny handresy ireo rehetra
Hanafoanako toreo
Ka ny finoana dia
Ny ho valim-panantenako ho avy eo
_-----------_
Miangatra ny vintana ka tsisy FAHASAMBARANA
Izay kely mba nomena ahy dia indrisy nosoparana
Ny anjara antenaina toa tsy manarangarana
Ilay ILA zay manakona ahy
Rahoviana vao hifarana

Mbola...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lucien Randrianina feat Gôgô
Hits : 179
Likes : 0 Like
Created by : SitrakA1702
Date : 06/06/2025 18:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0736