Famonjena (LES JUVES)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaoranay hianao Jesoa
Namita famonjena
Nandritra ny andro sarotra teo aminao
Izay nanaovanao sorona ny ainao hamonjy anay

Ny rànao izay tao gologota,no nanadio anay ho afak'eloko,
Indro hianao nijaly namita famonjena
Torovana sy reraka
Kanefa nisolo aina anay

Ny fasana nivoha fa ts nahatana anao
Na maty aza fa nitsangana hianao
Izany no voasotra mba ahatanteraka
Fa ny zanak'olona ho faty
Ary hitsangana amin'andro izay fahatelo

ANDRIANAHINA
Jean Leo-paul Juvenot
TSILAINTAFIKA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : LES JUVES
Hits : 785
Likes : 0 Like
Created by : hirajuves
Date : 18/03/2019 08:08
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755