Misaora Azy (KT AMBATOVINAKY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ravoravo ny fo tafahaona indray
Tafahaona ato an-tranon'ny Ray
Na dia mafy aza izany onjam-piainana ety
Tonga isika hanompo an'i Jesoa Kristy

Maro fakam-panahy 'zao fiainana izao
Ao satana ta-hamitaka anao
Aok'isika hatoky an'Andriamanitra Ray
'Zay nitantana antsika hihaona indray
Misaora Ilay Mpamonjy tia
F'Izy no nampahery sy niaro ny dia
Antsoy Izy ka matokia
Fa hataony mpandresy ianao dieny ety

Mihirà fiderana
Omeo Azy ny haja sy ny voninahitra
Haleloia! Hosana!
Ho Anao 'Lay fahazavana
Raiso re ny voninahitra mandrakizay

Mandrakizay, Mandrakizay,
Mandrakizay, Mandrakizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : KT AMBATOVINAKY
Hits : 1750
Likes : 2 Like
Created by : aronavalona
Date : 20/01/2017 08:56
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745