Fiandohana Vaovao (KEN)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay vao tsapako akia ireo hirifirinao
Izao vao henoko marary ao am-poko ao
Fony ianao mba nitaraina, nodiako tsy heno akory
Fa dia naleonao nangina, tsy niteny intsony.
Voafatotry ny haizina ny tenako
Ka tsy mba nihevitra 'zay làlana nombana

Ny omaly akia tsy hiverina intsony
Ny anio aza efa hifarana indray
Ny ampitso no handeha hatao
Fiandohana Vaovao.

Izay vao tsapako akia ireo fahorinao
Izao vao fantatro akia fa nijaly ianao
Tsy noraharahiko akory fony ianao niangavy
Fa naleonao nangina nitsinjo ny hoavy
Voafatotry ny haizina ny tenako
Tsy mba nihevitra 'zay làlana nombana hatrany hatrany.

Ny omaly akia tsy hiverina intsony
Ny anio aza efa hifarana indray
Ny ampitso no handeha hatao
Fiandohana Vaovao.

Oh yeah!
Efa natao ho ahy sy ho anao 'lay fitia
Ka n'iza n'iza tsisy hahasakana ny dia, yeaahhhh !!

Ny omaly akia tsy hiverina intsony
Ny anio aza efa hifarana indray
Ny ampitso no handeha hatao
Fiandohana Vaovao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : KEN
Hits : 134
Likes : 1 Like
Created by : mraoby
Date : 10/09/2024 16:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741