Rahatrizay (Kelly Rajerison)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anaty fahanginana aho no naneho
Ny fitiavako anao izay manenika ny foko efa feno
Ny fitiavako anao mahay mandefitra tsy mitoreho
Ho fantatrao rahatrizay

Tao anaty fahanginana aho no naneho
Ny ahiahy sy ny alaheloko anao izay niniako tsy naseho
Ny ahiahy sy ny alaheloko anao tsy naharenesam-peo
Ho hitanao rahatrizay

Fa tao anaty fahanginana aho no naneho
Ny herin-tsaiko mba hanavotra ny fitiavantsika tsy harefo
Sembanin'ny aloka 'zay mitatao mandava-taona an-dohako ao
Ho tsapanao rahatrizay

Tao anaty fahanginana aho no naneho...Ny fitiavako anao
Ny fitiavako anao...Ho fantatrao Rahatrizay



Tonony sy feony : Kelly Rajerison
--------
Link:
Comments
Fidy Art Niaina ( 09/07/2019 11:08)
tena mahafinatra io an, ankafiziko
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Kelly Rajerison
Hits : 3173
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 29/10/2013 18:07
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121