soratra masina (justin valiha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-
(Ny soratra masina milaza re!)
Ny soratra masina milaza
manambara sy manao hoe:
tsy hiantso ny marina aho,
fa ny mpanonta mba hibebaka no antsoiko.
(Sao ianao ka manantena hoe)
Sao ianao ka manantena hoe:
izaho be vola sy harena
ka hiavonavona ô
amin'ireto mpiara-monina rahavako o
('Nefa tsarovy tompoko ô)
Kanefa tsarovy tompoko ô
rehefa tonga ilay andro hahafatesana
lamba mena valovitrana ihany no anjaranao sombin'aina
(Manàna fandinihana isika re)
Manana fandinihana isika
raha mbola velon'aina eto an-tany
sao ianao manantena ny bika sy ny hatsarana anie ka hiavona
(Mahita ireo maloto lamba)
Mahita an'ireo maloto lamba
mandalo ianao tsy miarahaba
izany no porofo ô! Fa tsy mihavana re ny velona rahavako ô
(Eritrereto sombin'aina)
Eritrereto sombin'aina
diniho koa ry manan-tsaina
rahoviana re isika no hanana ny firaisana rahavako ô

2-
(Toham-baliha re ny fiainana e)
Toham-baliha re ny fiainana
ny avo manohana ny iva
ary ny iva manohatohana ny avo tsy hianjera
(Ladim-boatavo anie ny fiainana)
Ladim-boatavo anie ny fiainana
ny fotony anefa iray ihany
fa misampantsampana ô
ka tonga maro toy izao anie isika
(Efao ny adidinao raha mbola velona)
Efao ny adidinao raha mbola velona
manàna faharetana aza kivy
fa raha izany re no vita
dia ho sambatra hatreto la hatrany


iii iii i i..........ho sambatra hatreto ka hatrany
ouuu ou ou ouououu.........hosambatra hatreto ka hatrany
ieee ie e e e...........ho sambatra hatreto ka hatrany
ho sambatra hatreto ka hatrany e (×2)



(Mampamangy amin'ny bandin'Ambohimandroso 106 mpanao adidy rehetra: daHery, Gilbert, Haja, Mamyi, Charles, Gyam, Le fy, Lita, le Manou, Lekambana 2, Ziano, ra-Ni,......"ny an'i Naly e: tout le monde r'ise a..")
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : justin valiha
Hits : 24
Likes : 1 Like
Created by : DaheryJunior
Date : 23/02/2026 17:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0886