Miverena (Jaspy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny lasanao ô avelao
Fa miantso ny Tomponao
Miantso anao izy anio
Ka mba valio

Fiverinana :
... Efa ela ianao no nandrasana
... Saingy ianao no tsy tazana
Tototrin'ny hadalana
Voarebin'ny satana
Miantso anao anio ny Tomponao
Ka valio sao nenina
Miangavy izy ny mitalaho
.. Ny mba hiovanao amin'ny ratsy fanao

Miandry anao hatrizay ela izay
Ilay tompo tia
Fa ianao no mbola naniasia
Anio tonga indray izany antso izany
Ka valio fa sao ity no antso farany

Fiverinana :
... Efa ela ianao no nandrasana
... Saingy ianao no tsy tazana
Tototrin'ny hadalana
Voarebin'ny satana
Miantso anao anio ny Tomponao
Ka valio sao nenina
Miangavy izy ny mitalaho
.. Ny mba hiovanao amin'ny ratsy fanao

Ny hevitrao dia tapaho
Fa miandry ny Tomponao
Tsisy foiny ho very
Saingy tsy sitrapo fa tsy  an-tery

Fiverinana :
... Efa ela ianao no nandrasana
... Saingy ianao no tsy tazana
Tototrin'ny hadalana
Voarebin'ny satana
Miantso anao anio ny Tomponao
Ka valio sao nenina
Miangavy izy ny mitalaho
.. Ny mba hiovanao amin'ny ratsy fanao

Hatrizay ela izay no efa nahafantarana
Ny lalana tokony halehanao
Ny fidirana  ao ambala no andrasany
Miverena fa sao ity no antso farany

Fiverinana :
.. Efa ela ianao no nandrasana
... Saingy ianao no tsy tazana
Tototrin'ny hadalana
Voarebin'ny satana
Miantso anao anio ny Tomponao
Ka valio sao nenina
Miangavy izy ny mitalaho
.. Ny mba hiovanao amin'ny ratsy fanao

.... mmmmm
Miandry anao hatrizay ela izay ilay tompo tia
... Miverena ianao eie eie
Koa miverena ianao izay nania
... Miverena ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Jaspy
Hits : 104
Likes : 2 Like
Created by : antokiniainato
Date : 07/07/2024 18:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716