Ampidiro aloha ny tenimiafina
Manjakely (IBRA MDG)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ANDININY 1 [ MARUS ]Vao Maraina vao mifoha d'efa Ianao no ato an-doha
Tsy andriko izay hiaonantsika
Izaho sy Ianao mpinamana tsy nifankafoy
Ankehitriny Ianao toa nambabo ny foko
Fa ny tanjoko hitantana anao, hamihina anao,
Mba Hanana Toerana ao am-ponao;
Tsy haiko na tsapanao, fa izaho Tia Anao :
Lasa adala aminao zah
Fa ny anilanao tena Tsapako hoe Mamy! Mamy!
Vao tsy mahita anao izaho Mijaly !
Ny anilanao Hafa ihany, Maha sambatsambatra, Maha falifaly
Tsy haiko na hoe Tsapanao ny tsapako
Vao mahita anao midobodoboka ny fo
Ilay tsikitsikinao mahafa-po...Tena Tia tokoa!
REFRAIN
Manjakely ih! Ianao Kiala Kely ih!
Tiako hoe anahy irery ih, fa tsy an'olon-kafa...
Izaho tavela, Raha tsisy anao dia very ih!
Ankilanao Zaho Faly ih, dia Tsisy ny alahelo....
Fa Mamy Kely ih! Mahita ny tsikinao iny!
Aminao io Zaho variana, Mitsiriritra anao
Izaho tamana, Te hiantso anao "Malala" ah
'zaho Mila ho lasa adala ah. Inona no Hataoko?
ANDININY 2 [ IBRA MDG ]
Ay! Ay!
Vao nahita ny tsikinao zah de tamana
Tsika roa mpinamana tsy nifankafoy
Eny an-dalana aho ohatran'ny hoe mba tompony
Ny ankilanao ry Piso d'efa mahasambatra Ahy
Zaho lasa malaina mody Satria:
Ny ankilanao fotsiny d'efa fanafody Raha marary
Tsy Haiko mihintsy fa toa tafalatsaka aminao Zaho
namako, enga anie ka mba ho ambinin-janahary!
Ilay fitiavako iny vao mainka mitombo
Surtout rehefa mahita anao mitsikitsiky iny aho,
Zaho, Adaladala aminao Te hiteny hoe "Safosafoy"
Tsy te hijanona ho mpinamana intsony fa
Hiakatra Amin'ny Ambonimbony dia
Tiako ho an'ahy irery ny fony
Mbola ankinina amin'ny ao Ambony !
REFRAIN
Fa Manjakely ih! Ianao Kiala Kely ih!
Mba Tiako hoe anahy irery ih, fa tsy an'olon-kafa...
Izaho tavela, Raha tsisy anao dia very ih !
Anilanao Zaho Faly ih, dia Tsisy ny alahelo...
Mamy Kely ih! Mahita ny tsikinao iny!
Aminao io Zaho variana, Mitsiriritra anao
Izaho tamana, Te hiantso anao "Malala" ah
'zaho Mila ho lasa adala ah. Inona no Hataoko?
Prod by DR RWICORDZ
CCA GVNGX 2025©
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : IBRA MDGHits : 24
Likes : 0 Like
Created by : ibramdg101
Date : 24/04/2026 12:40
