Ilay ho ahy (Harilanto feat Jao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro izay ny nangatahiko
Betsaka izay nomarihiko!!
Momba anao tamin'i Jeso!!
Mba ho anjarako, sy ho vadiko.

Tamin'izay tsy mbola fantatro
Hoe iza loatra no nomaniny ho ahy
Fa nahatoky azy foana foana anie aho
Izy hanome izay tsara, dia ilay tsara indrindra ho ahy.

Ref:
Hiandry ny fotoana
Hiandry ilay nomeny
Hay ianao ilay nomaniny ahy
Sy ilay sitrany ho ahy.
Faly re ity fo
Nampahitany anao
Sy nitenenany tamiko
Hoe ianao ilay silako.
....
Misaotra an'Andriamanitra Ray aho!
Noho ny nanomezany ahy anao!
Ôh!!!, Ho ravakin'ny tokan-trano..ko!
Mba ho anjarako, sy ho vadiko.

Ho tiaviko toy ny fiangonana!!
Jeso ity anabavinao ôôô!o!!
Efa voaraiko taminao ilay ho ahy (Ilay ho ahy!)
Nanome ny tsara ianao, ilay tsara indrindra ho ahy!

Ref:
Hiandry ny fotoana
Hiandry ilay omeny
Hay ianao ilay nomaniny Ray
Sy ilay sitrany ho ahy.
Faly re ity fo
Nampahitany anao
Sy nitenenany tamiko
Hoe ianao ilay silako.

.....

*Tiako ianao, tiako tsotra izao
Hamakivaky ny fiainana hiaraka amiko
Dia tianay, Ianao Jeso
Hitantana anay hatrany an-danitra! (X2)

Ianao ilay ho ahy
(Ianao ilay ho ahy!)
Tianao mandrakizay

Mandrakizay....


A/C: Harilanto
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Harilanto feat Jao
Hits : 1539
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 19/04/2021 17:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0175