Ankavanan'ny Ray (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nody ny masoandro be lohataona
Tsy mba alina nitondra fisainana
Maty ianao, tonga lay fotoana
Mafy ilay andron’ny fanaintainana
Niala nenina ny fianakaviana
Nanao zay ho afany ny olon-drehetra
Na dia teo aza ny fihafiana
Tsy tana ny ainao fa manam-petra
Olombelona isika eto an-tany
Miloloha lanitra ka mety ho lena
Solafaka fa mandia tany
Ny sarinao sisa jerena
Aloka aman-javona ny fiainana
Mafy ny fisarahana an-tany
Tsy maintsy zakaina fa tsy hitarainanaNy eto an-tany fandalovana ihany
Andriamanitra no tompon’ny aina
Izy irery no hany mpandahatra
Tsy hisy intsony ho anao ny maraina
Izahay koa miandry ny lahatra
Tombon-dàlana ihany ny anao
F’izahay mbola ho any daôly
Mbola hihaona na dia hifandao
Hiara-hilalao @ Masindahy Paoly
Nijanona hatreo ny fonao
Mitomany ny eran’ny trano
Tsy hitampody intsony ianao
Fa efa sira latsaka an-drano
Tsiahy sisa no mitamberina
Zakaina na mafy aza ny ady
Ianao tsy antenaina hiverina
Fa efa vato latsaka an-kady
(Maty aho,maty aho fa mba hiteny kely)

Maty aho fa mba hiteny kely
Tsarovy zay mba zavatra vitako
Izaho efa tsenain’ny Anjely
Io koa Masindahy Pierre fa hitako
Hikimpy aho tsy hahita mangirana
Varavaran-kazo no ivoahana
Varavaram-bato no idirana
Kihon-dàlan’ilay fisarahana
Ianareo toro vato nandiavana
Sady folaka andry niankinana
Kanefa atao ahoana rahavana
Izaho ary mba faly sahirana
Fa toa maro be ny mpamangy
Mandalo miserana ihany
Tian-kavana mahavangivangy
Ny havan-tiana tsy mahalavi-tany
Misy olona tsy fahita hatrizay
Toa indreto fa tonga mampionona
Maty aho vao hitako indray
Ry Berthe sy ry Bouboune
Mametraka kely zay tonga rehetra
Singan-dandy ho ahy efa maty
Satria fahoriana tsy vitan-tsetsetra
Singam-bolo tsy mahafehy faty
Manam-pahefana sy tompon’andraikitra
Nilaozanareo ny adidy
Navelanareo ny andraikitra
Nanotrona ahy tsy manan-tsafidy
Mpitsoka mozika miara-mirona
Medaly be tsy manan-tsahala
Toa maty aho vao be galona
Toa maty aho vao Ramalala

Dia tonga ary ny teboka farany
Ny maty sy ny velona hisaraka
Hifarana hatreo ny tantarany
Ranomaso no sisa miraraka
Tsy hita zay teny ho ambara
Vahotra ny vava sy lela
Ny tantara tsara tsy maintsy miafara
Fahatsiarovana sisa tavela
Nareo mpianakavin’ny finoana
Sy ny Ray aman-dReny am-panahy
Misaotra namaly fiantsoana
Amin’ity fahorian’ny gangsta
Fara adidy voatsirambin’ny tànana
An’ny valala mpiandry fasana nanovokovoka
Menaka ihosorana fa niempa-tànana
Savony isasàna fa nihosom-bovoka
Miondrika ny loha fa ditsoka ny maso
Fola-dohalika, mikolepa-pamindra
Ontsa ny fo, mitete ny ranomaso
F’ianao lasan-davitra, lasa nifindra
Fara-rakitra ho an’ny fiangonana
Fa ny fiainany vita hatreo
Andriamanitry ny fampiononana
Hamaly fitia anareo
Tsara levenana ny maty
Heninkaja ny velona sy ny mpianakavy
Ho lasan’izay anie ny ratsy
Fa ny soa no ho mateti-pihavy
Dia veloma ry mpiara-belona
Fa izaho hody any @ mandrakizay
Hiandry ny fitsanganan-ko velona
Hipetraka eo ankavanan’ny Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 6991
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/01/2015 22:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718