Voadim-pitia (Frère Abel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Tonga ity ilay fotoana
Izay niandrasana hatry ny ela
Hilazako fa tena tia anao aho
Ity andro anio ity
No ifanekeko aminao
Eto anatrehan’Andriamanitra (x2)
N’inon’inona tsy hisy
Eo amin’ny fiainantsika
Dia hanaraka anao foana aho
Fa tsy kivy tsy ketraka aho manana anao
Fa Andriamanitra arô no nahatonga izao
Ary ny foko koa efa tena lasanao.

Ref :
a) Koa misaotra Anao zahay Ray ô
Fa nomenao tokan-trano soa
Izay vita teo anatrehanao
Fa tsy tamin’izao tontolo izao
Koa manandratra Anao zahaY
Ry Tompo Ray mahery !
Manandratra Anao zahay
Satria lehibe ny famindram-ponao
Ka nahavitanay izao
Koa ny voadinay anio
Dia ny hanompo Anao foana hatramin'ny farany

2) Misaotra anao zaho malala a!
Fa tena feno ny hafaliako
Raha nandre izao teninao izao
Manana aho manana anao
Ka ho hajaiko fatratra ianao
Ary ho ampiadaniko ihany koa (x2)
N’inon’inona resak'olo,eo amin’ny fiarahantsika
Dia tsy ataoko olana hialàna
Fa izay natambatry ny Ray
Dia ho mandrakizay ka tsy ho sarahan’olombelona

Ref : - * -

Ary ny fifankatiavanay roa
Dia toy ny lamban’akoho
Ka aina no fetra ! o o o…

A/C:ABEL

Dedicace de la part de M & R
--------
Link:
Comments
misty642 ( 21/06/2016 14:44)
RAHARIMISA Toby
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Frère Abel
Hits : 3494
Likes : 3 Like
Created by : misty642
Date : 21/06/2016 15:31
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742