Jesosy nilaza fa hanao asa lehibe (F.F.S.M)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
-"Jesosy nilaza fa hanao asa lehibe
Mihoatra noho Izy ny mino sy ny
manompo ;
Ry taranaka voafidy ny finoanao
aiza re?
O! mitsangana ry Mpianatry ny
Tompo."-

-"Ny manam-pinoana tsy mba ho
menatra ,
Fa ny manam-pinoana tsy mba ho
menatra ;
Ny finoana (ananantsika)
Araho asa (mba tsy ho ritra)
Tsy mba ho foana ;
Ny manam-pinoana (dia velon'aina),
Ary ho sambatra (ny tsy mety mino),
Dia hohelohina."-

(S)-"(O! raha mandeha)
Raha mandeha (hamaky) mamaky,
Ny lalan-tsarotra tsy hatahotra ;
(Ny manana finoana e! e!)
Aloky ny fahafatesana na
lohasaha mangina,
Matoky foana
(O! ra mitafy ny finoana e! e!)
Raha hamaky ny avo na hita ny
ony tsy hivadika,
(Fa ho sambatra )
Ny mialoka Aminao Jehovah
Andriamanitra."-

-"Ny fifohazan'i Soatanana ,
Aza miherikerika intsony ;
Ny finoanao no hahavonjy Anao ,
Ka tano hatramin'ny farany ;
Manàna finoana ny fampianaran'i
Jesô ,
O! mitsangana ry Mpianatry ny
Tompo."-

O! raha mandeha ets...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : F.F.S.M
Hits : 682
Likes : 0 Like
Created by : Harinjakafitiavana
Date : 10/04/2024 09:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722