AMBARAO (Feo Mahafalin'i Ziona (FMZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF:
Fa mizotra mankaiza ihany ho'ah (LAZAO!! LAZAO!!)
Izato lalan-kalehanao izao (LAZAO!! LAZAO!!)
Sao sodokan'ny hatsarana oh oh (ianao!! ianao!!)
Tsy manam-panahiana ah... (Ny ao anatinao!!)

Ambarambarako aminao ny zava-marina
Tsy misy ny aferafera azo amboarimboarina
Tsy misy miafina Aminy izay vitanao
Fa na tsara na ratsy izay no hitsarana anao.

REF:...

Fotoana tsy tara izao hanapahanao hevitra
Sampanana iray mitaky 'lay safidy hentitra
Lala-malalaka ve sa lalana hely
Ny tiana ambara aminao dia manaova ny mety.

Jesosy Izay ambara anao, Jesosy Izy tia anao
Jesosy Izy honena anao, Jesosy tsy mahafoy anao
Jesosy manam-pikasana, ny olana hovahana
Hanaisotra fahotana, hafitsoka ilay satana

Ny ahiahy rehetra izay mangeja anao
(omeo Azy hovahany)
Ny olana rehetra izay mangeja anao
(omeo Azy hovahany)
Ahitana
(Tsy misy afa tsy i Jesosy)
Ny Tompo manam-pahefana hatrany an-danitra
(Tsy misy afa tsy i Jesosy)
Dia any lalana mihazo ny lanitra
(Tsy misy afa tsy i Jesosy)
Mba handovana fiainan-tsambatra ehh

REF:...

***********************FMZ***************************
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Feo Mahafalin'i Ziona (FMZ)
Hits : 772
Likes : 0 Like
Created by : mamybernard
Date : 23/11/2019 08:57
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865