Mbola tsy tara (Faniry Razafindrabe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola tsy tara ianao raha toa ka izao
ny hana-pakevitra ny hanara-dia
ho isan'ireo sakaizan'i Kristy,
mahatok’Azy mandrakizay e

Safidy tsara ny anao ka dia mahereza
Mitoera tsara , aza miova
koa hampitoboy ny harem-panahy
Tsy ho foana tsy akory ny ezaka atao e

Marina fa toa sarotra ny dia
tsarovy anefa fa ilay zoky be fitia Jesoa Krsity no mialoha lalana
mitondra ireo enta-mavesatra, ny tebiteby , ny tahotra
sy izay rehetra mety ho sakana

Miaro anao amin'ny loza mety havoa
mitarika anao hiroso aloha ho vavolom-belona ny asany
ka ianao hiankina aminy tanteraka hiombon-piainana aminy
mandrakizay , satria sakaizany

Dia ho olo-baovao, naterak’indray ianao
Lalam-piainana hafa indray izao no hizorana manobok’anio
Dia ho fianarana ho an'ny mino ianao ka hanjaka ao anatinao,
ny fitia sy ny fankatoavana an’ i Kristy

Mbola tsy tara raha izao
Mbola tsy tara Ianao raha izao
Ny hanolo-tena ho an’i Jesoa Kristy Eh eh eh

Mbola tsy tara ianao raha izao
Ny hanaiky an’i Krsity ho Tomponao
Mbola tsy tara ianao Eny mbola tsy tara ianao

Raiso Kristy ho ao anatinao
Aoka izy no hanapaka ny fiainanao
Raiso i Kristy, raiso i Kristy ho anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Faniry Razafindrabe
Hits : 1399
Likes : 0 Like
Created by : ClotildeR8
Date : 30/11/2016 18:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08