Dada sy Neny (Faneva Fandresena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dada ô, ry dada ô
Inona no havaliko anao
Marobe ireo soa vitanao
Tamin'ity zanakao

jesosy anie hitahy anao ry dada ô
Hapahery sy hanohana anao
Fa ny hany azoko atao anie ry dada ô
De ny mivavaka ho anao

Jesosy anie hampahery anao
Amin'ireo adidy mbola miandry anao...


Neny ô, ry Neny ô
Misaotra aho nohon'ny fitiavana nasehonao
Nikolokolo ahy, nahalehibehy ahy
Tsy ho voavaliko ireo soa vitanao

Jesosy anie hitahy anao ry Neny ô
Homba anao hatrany izy
Fa ny hany azoko atao anie ry Neny ô
De ny mivavaka ho anao

Jesosy anie homba anao
Amin'izay rehetra ataonao...


Dada ô, Neny
Rariny aho raha mba hiteny
Raha ho avy Jesosy eny amin'ny rahon'ny lanitra
Mirary anareo roa samy ho todisoa

Jesosy anie ho fanilonareo
Hanazava ny lalana
Raha tonga ny fotoana hihaviany
Isika hiara-hiakatra

Jesosy ô, mivavaka aho
Tahio ny Dadako sy ny Neniko
Miangavy aho, mba valio
Jesosy ô ny tonom-bavako
Tahio ny Dadako sy ny Neniko
Tahio ny Dadako sy ny Neniko...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Faneva Fandresena
Hits : 1469
Likes : 2 Like
Created by : Nyrav
Date : 31/08/2017 09:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748