Bakoly (Donné Style)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ramatoakely Bakoly sakaiza fahazaza
Bakoly manja kely
Bakoly sahisahy
Bakoly tomban-dahy
Bakoly manadala
Tsy nisy tsy niaiky ny olona tao an-tanàna.

Ramatoakely Bakoly fony izy somondrara
Tia vaky boky, boky feno sary
Nalaina tany am-pita
Tsy niainana fa hita
Nony injay nangetaheta
Dia nanandrana an'izany

Eee Bakoly eee
Elakelan-trano anefa no mba tokontanintsika
Eee Bakoly eee
Fa ny bikanao no soa ka dia nentinao nikopaka koa
Eee Bakoly eee
Fa ny endrikao no tsara dia nataonao lakile-any koa.

Ramatoakely Bakoly nahapotika vahiny
Ny iray natao filàna,
Ny iray mpanafosafo
Ny iray mpitondra mody,
Ny iray mpamatsy nofy.
Nilaza fa hitondra an-dry handeha ho any California.

Ramatokely Bakoly firavaky ny mpanana
Lolo falifaly
Kintana mitsiky
Volana baliaka
Nofy fararano
Nitrifanan-dry rehefa mety hotely be manontolo.

Eeee Bakoly eee.
Dôzidôzy be)
No handeha kawasaki
Eee Bakoly eee
Notengenandry daholo ny moto soavaly vý
Eeee Bakoly eee.
Ny fiara hitondra an-dry dia voatondraka mozika akia.

Ramatoakely Bakoly mpamandrika fitiavana
Ny fony mitomany
Ny tiany lasan'ny any
Ny tenany eto ihany
Mila hitoto tany
Hadino teo Bakoly fa nataony fialam-boly.

Ramatoakely Bakoly sakaiza fahazaza
Tratra fa nitia
Saika hankafý
Lasa i lery
Any California
Hadino teo Bakoly fa nataony fialam-boly

Ramatoakely Bakoly sakaiza fahazaza
Bakoly mitomany, ny tiany lasany any
Ny tenany eto ihany
Mila hitoto tany
Tsy omby vava moa ny patsa
Nefa nisy sahy nandatsa

Eee Bakoly eee
Ny tranonkala akia fitàna
Rendrarendra sy filàna
Eee Bakoly eee
Fa ny bikanao no soa ka dia nentinao nikopaka koa
Eee Bakoly eee
Tsy omby vava moa ny patsa
Nefa nisy sahy nandatsa.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Donné Style
Hits : 1684
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 18/10/2020 13:17
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011