Teny tsy fanadino (Dominique sy Mr Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Zay voasoratra ihany
No tsiahiviko eto izao
Hikorontana ny tany,
Lavo izao rehetra izao.

Very hevitra daholo
Izay milaza ho mahay
Hisy aretina mandoza
Mbola tsisy hatrizay.

Fa 'nareo vahoaka sisa
Ho sedrain'ihany koa
Fahoriana an'alin-k'isa
Mbola hitranga eto koa.

Maro ireo olom-boafidy
Izay ho voafitaka
Fa nialany ireo didy,
Niala izy nisitaka.

Fa ianao io manahoana,
Mbola hijoro foana ve?
Na handrava manoloana
Ireo sedra marobe.

Ho antsika izay tavela
Mbola haverinay ihany
Fa ny Tompo tsy mahela
'Reo teny fikasany.
....
Fa 'nareo vahoaka sisa
Ho sedrain'ihany koa
Fahoriana an'alin-k'isa
Mbola hitranga eto koa.

Maro ireo olom-boafidy
Izay ho voafitaka
Fa nialany ireo didy,
Niala izy nisitaka.

*Fa ianao io manahoana,
Mbola hijoro foana ve?
Na handrava manoloana
Ireo sedra marobe.

Ho antsika izay tavela
Mbola haverinay ihany
Fa ny Tompo tsy mahela
'Reo teny fikasany.
(X2)

Ho antsika izay tavela
Mbola haverinay hatrany
Fa ny Tompo tsy mahela
'Reo teny fikasany.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Dominique sy Mr Vonjy
Hits : 142
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 14/01/2025 18:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1568