ndao hifankatia (DAMBOLA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NADAO HIFANKATIA

Fanahoana ry velona an-tany?
Fa nahoana raha mifankatia
Rehefa maty ho vovoka ihany
Fanahoana ra mifankatia

REF
(Dia nahoana), nahoana (Dia nahoana) nahoana (Dia nahoana)?
Raha mifankatia
Tsy zaka (dia tsy zaka), Tsy zaka (dia tsy zaka) ny ety an-tany ety
Veloma (dia veloma) veloma (dia veloma) no apetrako

Raha ny vola sy ny harena
No tompoinao eto an-tany
Rehefa tonga ilay fotoana
Tsy ho zakanao makany
Mpivahiny isika no eto
Fandalovana ny eto an-tany
Misy fetrany avokoa
Tsy aleo ve mamela mamy

REF
(Dia nahoana), nahoana (Dia nahoana) nahoana (Dia nahoana)?
Raha mifankatia
Tsy zaka (dia tsy zaka), Tsy zaka (dia tsy zaka) ny ety an-tany ety
Veloma (dia veloma) veloma (dia veloma) no apetrako

Ka manaova ny soa
Mba ho soavina ianao
Mendrika sy marina
Tsy ho rendrika tafarina
Izay vitanao tety
No hitsarana anao indray androany
Koa raha mbola velona aina
Ndao hifankatia hatrany

REF
(Dia nahoana), nahoana (Dia nahoana) nahoana (Dia nahoana)?
Raha mifankatia
Tsy zaka (dia tsy zaka), Tsy zaka (dia tsy zaka) ny ety an-tany ety
Veloma (dia veloma) veloma (dia veloma) no apetrako

Dambola
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : DAMBOLA
Vangy : 81
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Raystendry
Daty : 13/11/2025 08:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6456