Omeo fo mino (Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray ô, tariho sy hamasino
Mba sakambino ‘zahay zanakao
Hianao ry Rainay no antenainay
Hambomba anay
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao ry Rainay, ho mandrakizay

Jeso ô, mpamonjy
Ry mofon’aina
Ô mba vokiso, ny fanahinay
Fa manantena ny famonjena
Hatolotrao
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao mpamonjy, ho mandrakizay

Ô ry Fanahy, fanahin’ny Ray
Bitsibitsiho ny fanahinay
Ô mba tsilovy, dia mba arovy
‘Zao lalanay
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao Fanahy, ho mandrakizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA
Hits : 8827
Likes : 0 Like
Created by : macmac
Date : 19/07/2014 16:19
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754