Tsy ho ahy (Betia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpinamana tsotra izaho sy ianao
Tsy nifankafohy hatramin'izao
Dia nifampizara ny halahelo sy ny hafaliana
Tsy aiko anefa fa ny hahamafy orina ao am-poko ilay fitiavako
Fa saingy indrisy fa ny azy no tonga mialoha
Ka dia nihemotra aho
Naleoko nangina, ... Naleoko nangina

Fa na tsy ho ahy mihitsy aza ianao
Na tsy hijery ahy, tsy mahita ahy
Ny hany tiako dia ny hahita anao feno hafaliana
Fa fitia tsy an-tery ny ahy
Ho afeniko tsy ho fantatrao
Satria tsy hainao, tsy renao, fa jamba aminy ianao
Dia tsy hainao fa dia tiako ianao ... Tiako ianao

Nanomboka teo dia nia sarotra
Ny nijery anao teny an-tratrany eny
Fa hodiako tsy hita, zary hafaliana no nasehoko
Niezaka ihany aho ny hijery olon-kafa
Fa tsy nahatsindry anao na dia kely aza
Ka izany no mahatonga hamboraka ny ato am-poko,
fa dia nihemotra aho
Naleoko nangina, ... Naleoko nangina

Fa na tsy ho ahy mihitsy aza ianao
Na tsy hijery ahy, tsy mahita ahy
Ny hany tiako dia ny hahita anao feno hafaliana
Fa fitia tsy an-tery ny ahy
Ho averiko tsy ho fantatrao
Satria tsy hainao, tsy renao, fa jamba aminy ianao
Dia tsy hainao fa dia tiako ianao ... Tiako ianao

Ampy ahy ny tsikinao
Fitiavako anao, dia aleoko mitso-drano anao ...

Fa fitia tsy an-tery ny ahy
Ho averiko tsy ho fantatrao
Satria tsy hainao, tsy renao, fa jamba aminy ianao
Dia tsy hainao fa dia tiako ianao ... Tiako ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Betia
Hits : 285
Likes : 0 Like
Created by : Elya
Date : 09/01/2026 08:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1951