Fitia Mafy Horina (&Ayn'S feat Rappeur Fhm)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1:Yeh ! Efa maromaro volana taona izay ngamba
No niarahako taminao
Ka androany kosa angamba efa samy vonona aminizay
Izaho sy ianao
Hiroso ao anatin'ny fanambadiana
Hanorona tokan-trano, hanangana fianakaviana
Efa ela iany angamba izay no naminavina
Kanefa indrisy androany tanteraka iany ilay faniriana
Ka ho lazaiko ho re tany ho re ndanitra
Nanaovana anilay voady eto anatrehan'Andriamanitra
Fa zaho tsy hanary anao izany , na oviana na oviana
Na ao anaty andro sarotra , na androm-pahoriana
Ka izay ilay voady ifanaovana ka aoka mba tsy hisy hivadika
Fa manomboka androany dia enao io vadiko ah
Hiriko ho tokan-trano lavitra ny disadisa
Fa mba ho lafatra sy mba ho paradisa
Refrain:
Fitia mafy horina no andeha hajoro
Ka tsy ho ravaina an
N'iza n'iza anakatsakana ahy an
Ka andeha izao sy ianao iaraka itambatra
Hamakivaky izao fiainana izao
Couplet 2 :
Yeh ,manomboka hatreto ilay fiainam- baovao nande hizorana
Fa tokan-trano tsara horina teo anatrehan'ilay nahary, niantsika ka tsisy hatahorana
Satria zavatra rehetra efa napetraka eo am-pelatanany eh
Reo fikasana rehetra zay atao dia ho tantanany eh
Ny lalantsika efa iray tsy azon'iza ho sakanana eh
Isaorana ireo fianakaviana sy ireo namana tsy tapaka
Nanotrona ary koa nikarakara
Ny fitondranareo am-bavaka , ny fanampinareo
Izao ny fikasanay, tontosa soamantsara
Ireo tso-drano sy ireo firariantsoa
Izay nafafinareo no lasa vato fehizoro
Ka izay no nahatonga ny tokan-tranonay mafy horina sy tafajoro
Refrain:
Fitia mafy horina no andeha hajoro
Ka tsy ho ravaina an
N'iza n'iza anakatsakana ahy an
Ka andeha izao sy ianao iaraka itambatra
Hamakivaky izao fiainana izao
.......
Andro tokana , ho anareo roa
Atolotray an-kira
Refrain ×2:
Fitia mafy horina no andeha hajoro
Ka tsy ho ravaina an
N'iza n'iza anakatsakana ahy an
Ka andeha izao sy ianao iaraka itambatra
Hamakivaky izao fiainana izao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : &Ayn'S feat Rappeur FhmHits : 127
Likes : 0 Like
Created by : Fandi
Date : 05/03/2026 16:23
