Jesôsy fitiavana (Artina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olon'ory malaheloMiady irery lava izao
Velona, miaina
Tsy mba nahalala Anao.
Ny fijerinao,
Tsy mba nandao
Ny tananao nanangana ahy
Nampiarina ahy tamin'ny vovoka
Ho mpandresy.
Ny antsonao nambabo ahy
Feno hery fiarovana
Jesôsy fitiavana.
Ref:
Inty izaho mpirenireny
Mitady fitsaharana!
Ny faniriako Anao mahery
Mandrava ny sakana.
*Ny fijerinao nanefy ahy
Ho olom-baovao
Jesôsy fitiavana. (X2)
Olon'ory malahelo
Voageja lava izao!
Ninam-boankazo voarara
Tsy mba nahalala Anao.
Ny fijerinao,
Tsy mba nandao
Ny tananao nanangana ahy
Nampiarina ahy tamin'ny vovoka
Ho mpandresy.
Ny antsonao nambabo ahy
Feno hery fiarovana
Jesôsy fitiavana.
Ref:
Inty izaho mpirenireny
Mitady fitsaharana!
Ny faniriako Anao mahery
Mandrava ny sakana.
*Ny fijerinao nanefy ahy
Ho olom-baovao
Jesôsy fitiavana. (X2)
.... Oooh! Ianao!, Ianao Jesôsy ô!
....
Ref: ....
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : ArtinaHits : 243
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 20/12/2023 11:28