Fa tamin'ny fitiavana (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa tamin'ny Fitiavana ny namoronan'i Ray
ny namorony Izy Ray izao tontolo izao
Endrika kanto loatra tsara ,tena mahafam-po
fa tena feno ny fitiavan'ny Tsitoha
Nony taty aoriana anefa niova avokoa
navadiky satana mantsy ny ratsy mba ho soa
nototofany ny marina , tsy navelany hiarina
Tototry ny haratsiana ankehitriny izao ny tany
feno fitiavantena sesilany
fifandrafiana tsy hay tohaina no nanakona ilay
edena tonga lafatra rahatrizay

Fa tamin'ny Fitiavana no namonjena antsika
izay efa voahomana tsy hisy hipika
nangoraka antsika indray Andriamanitra Ray
ka tsy namela atsika ho very rahatrizay
natolony ny Zanany ilay hany tokany
nataony sorona Jesoa mba hisolo izay nania
ka ny ràny izay nilatsaka no hanadio hangatsakatsaka
koa hararaoty ny andro azo hiverenana indray
raiso ilay tena fitiavan'ilay Ray
Izy no mbola tsy miova hatrizay hatrizay
omaly sy anio tsy miova ary ho mandrakizay

AKAFA Ambatolampy
A/C: Samson R.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Hits : 1320
Likes : 0 Like
Created by : antsakarmela
Date : 22/02/2017 13:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2944