lazara (Antoko Mpihira Vetson'Ikopa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
indray andro i Lazara , ilay tian 'i Jesoa
narary mafy, ireto anabavy nalahelo tokoa
nampiantso azy hoe: Tompo ô!
faingàna ianao!
tsy tonga i Jesoa, tsy tana ny aina,
narary ny fo.

andro vitsy taoriana vao tonga i Jesoa
i Maria sy Marta, nitsena azy nalahelo tokoa
taiza ianao Tompo ô, niandry izahay?
raha teo 'ngamba ianao , tsy ho faty toy izao ity havanay.

fa tara loatra vao tonga ianao,
efa any am-pasana izy, tsisy intsony azo atao
ny Fanantenana very avokoa,
mionona sisa ,izay no azo atao f'andeha ho aiza moa?

f'i Jesoa namaly hoe: izaho no Kristy
ilay mpanangana sy fiainana izay tonga tety.
izay mino ahy na maty dia ho velona indray.
esory ny vato, mivoaha ry Lazara
ho velona indray (velona indray).

moa va tsy toy izany isika ety?
raha tojo ady mafy, mitady azy Tompo nefa tsy hita izy,
dia aoka tsy ho kivy na hamoifo
Tano ny Finoana, na lavo aza ianao dia hatsangany koa.

izao no tsarovy sy tano ao am-po:
tsisy izay tsy hainy atao raha matoky tokoa.
manàna finoana, antsoy ny anarany.
ny Fanantenana tsy ho foana raha misy ny farany.
fa ny Fanantenana tsy ho foana raha misy ny farany.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira Vetson'Ikopa
Hits : 181
Likes : 0 Like
Created by : Xtella
Date : 29/01/2024 20:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728