DIA GAGA (Antoko-mpihira Haniry ny Lanitra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Dia gaga ny ankaso
Nahita ahy nitony
Tsy latsa-dranomaso
Na nitomany intsony
Satria ry Tompo tsara misinda ny toloko
Raha Ianao no anjara, zay nofidin’ny foko

2-Ho gaga koa ny vola
Raha nanalavitra ahy
Mahita ahy tsy tola
Na reraka am-panahy
Satria ry Tompo tsara misinda ny toloko
Raha Ianao no anjara, zay nofidin’ny foko

3-Ny sofiko mikiky
Ho gaga manoloana
Ny endriko mitsiky
Toa andro lohataona
Satria ry Tompo tsara misinda ny toloko
Raha Ianao no anjara, zay nofidin’ny foko
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko-mpihira Haniry ny Lanitra
Hits : 1545
Likes : 1 Like
Created by : HANITRYNYLANITRA
Date : 11/04/2017 09:52
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742