AMPIANARO AHY (Antoko-mpihira Haniry ny Lanitra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ampianaro ahy Jesoa anio ny lalanao
Fa iriko indrindra ny ho Aminao
Fa he manafotra ahy ny ota izay natao
Ka manakona ahy tsy hahita Anao

2-Ampianaro aho Jesoa hivelona Aminao
Ny fiainako dia ho eo an-tananao
Na manintona aza re izao tontolo izao
Dia matoky aho manana Anao

3-Ampianaro aho, Jeso hiasa ho Anao
Ho fiasana ho eo am-pelatananao
Ka hahay hizara izany fitiavanao
Mba ho mpianatrao izao tontolo izao

Fiv: Raiso aho Jeso ho Anao
Ka ombay ny fitiavanao
Na tsy mendrika aza dia hibebaka Aminao
Vonona aho hanaraka ny lalanao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko-mpihira Haniry ny Lanitra
Hits : 953
Likes : 0 Like
Created by : HANITRYNYLANITRA
Date : 11/04/2017 09:48
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732