Tsy ho ahy (Anthony)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia tsy ho ahy mihitsy aza ianao
Dia mbola tiako ho fantatrao
Misy fitia ao anatiko ao
Natokako mangina ho anao.

Hatrany am-piandohana no fantatro
Fa tsy ho tafara-dàlana
Fitiavanao tsy ho takatro
Fa toa afindrafindranao.

Ranomasoko nilatsaka noho ianao ,
Alahelo mitambesatra satria lasa ianao.
Na oviana tsy ho voakosoka ao am-po
Ireo fihetsikao, toetranao mambabo fo.

Raha izay fiarahantsika hatrizay,
Tsy hanadinoako anao na oviana.
Na tsy ho tanteraka aza ireo faniriana
Ny fisianao dia ampy ifaliana.

Na dia tsy ho ahy mihitsy aza ianao
Dia mbola ho tiako ho fantatrao,
Misy fitia ao anatiko ao
Natokako mangina ho anao.

Ranomasoko nilatsaka noho ianao,
Alahelo mitambesatra satria lasa ianao,
Na oviana tsy ho voakosika ao am-po
ilay fihetsikao, toetranao mambabo fo.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Anthony
Hits : 14076
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 24/03/2015 23:30
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106