Ilay Tontoloko (Antema RAMANANJATO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy matory intsony aho
Amin'ny alina mangina
Lasa saina lava izao
Mamisavisa anao ry tiana
Ny eritreritro misoko
Manotany hoe, aiza ianao ?
Moa ve hitony ny sentom-poko
Mba misy akony aminy zao
Nohy inty tantaratsika
Dia nivalona hatreo
Sa kosa re mbola tsy vita ?
Fa tononkira tsisy feo
Moa ve hoavy hiany
Ilay marainako mazava
Ka ranomasoko fafany
Ny zavon-tsaiko koa hisava

Ilay tontoloko, nofenoiko anao
Ka na ho rava sy ho foana
Dia hangina toy ny olona moana
Tsy hisy intsony ho babangoana
Fa ilay Fitia, dia ho doria
Ka hitempo ao am-po
Tsy ho faty, tsy ho lo
Ka raha toa mangahiahy
Ho tia anao mandrakizay

Ilay tontoloko, nofenoiko anao
Ka na ho rava sy ho foana
Dia hangina toy ny olona moana
Tsy hisy intsony ho babangoana
Fa ilay Fitia, dia ho doria
Ka hitempo ao am-po
Tsy ho faty, tsy ho lo
Ka raha toa mangahiahy
Ho tia anao mandrakizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antema RAMANANJATO
Hits : 257
Likes : 0 Like
Created by : Antsakwel
Date : 01/03/2025 15:14
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0278