Hamasino (Annie Jaspienne)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hamasino

Andriamanitray ooh,tongava eto anio
Ianao hanamasina ireto havanay
Hikambana iray sy hifankatia tokoa
Ray ooh, mba hamasinonao ho anao
mandrakizay

Ref
Ka hamasinonao, ireto zanakao
Ampioreno ao ,ny fitiavanao ray
Ka akambanonao izy roa,mba hifankatia
Ray ooh mba hamasinonao, ho anao mandrakizay

Ver:2
Andriamanitray ooh, hanao ny fanekena
Izy roa fa hifankatia tsy hifanary
Ombao ny herinao ka fenoy fitahianao
Mba ho sambatra manana anao ny tokantranony ----ref

Ver:3
Andriamanitray ooh,apetraka eo ambany elatrao
Ny ampitsony, ny hoavy
Ianao no hanomeo, izay ilainy isanandro
Eny, Zanaka, sombinaina, lova soa avy aminao ----ref
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Annie Jaspienne
Hits : 1255
Likes : 1 Like
Created by : midotieroselind
Date : 18/04/2019 18:08
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734