Tsara ny mihira ho an'Andriamanitra (Faneva faha 5 taona ny antoko mpihira Anjomaran'ny Fitiavana) (Anjomaran'ny Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsara indrindra Ianao ry Ray
Saotra dera no hasandratray re
Raiso fa mendrika Anao
Ny voninahitry ny Anaranao

Mampianara anay ry Jesoa
Ho tena miaramilanao
Tafio hery avy Aminao
Mba ho irakao hizara ny teninao

Ref: Haleloia, fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika
Hitory hatrany, ny famonjena avy Aminao
No hany tarigetranay
Haleloia, fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika
Hitory hatrany, ny famonjena avy Aminao
Ilay Anjomaran'ny Fitiavana

Ndreto izahay ry Tompo
Aoka hamiratra amin'ny finoana
Hamafy ny teninao, hanoa hatrany
Hanao ny sitrakao

Vonona hizara ny teny
Ka hiaina ny famonjenao
Hanolo-tena tokoa, ho mpianatrao
Ho mpiray lova Aminao

Ref: ....



Tonony sy feony : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Anjomaran'ny Fitiavana
Hits : 1102
Likes : 1 Like
Created by : miorahajavolamena28
Date : 11/06/2018 20:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718