Irery (Anisha Jo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hé ha hé!


Miposaka ny masoandro
Mangina aho aty e
Na ririnina ny andro
Na fahavaratra akia e.

Na lohantaona
Na fararano
Ny hariva indray ny andro
Mbola mangina aho aty e.
Mangina aho aty e.

Ô manimanina any an-tanàna
Mahatsiaro ny any aminay e
Fa tsy afaka ny manoatra
Tsy afaka koa ny mba hitroatra
Mahatsiaro ireo tsikitsiky
Teo koa ireo nahakivy
Fa tsy afaka ny manoatra
Ny fiainako koa mba te hivoatra.
Eee! Manirery.

Nibanjina ny lanitra na hariva na atoandro.
Ny saiko lasa lavitra mahatsiarotsiaro.
Mivavaka isan'andro aho miantso ny Ray.
Mba vimbino re ny lalako toy ny nataonao hatrizay.
Sy mandrakizay.

Ô manimanina any an-tanàna
Mahatsiaro ny any aminay e
Fa tsy afaka ny manoatra
Tsy afaka koa ny mba hitroatra
Mahatsiaro ireo tsikitsiky
Teo koa ireo nahakivy
Fa tsy afaka ny manoatra
Ny fiainako koa mba te hivoatra.
Eee! Manirery.

Ray ô, tahio raha sitrakao ny fianakaviana,
Ny sakaiza, ireo namana, ny mpiray tanindrazana.
Ray ô, tahio re raha sitrakao ireo miasa fatratra
Ireo mikely aina, ny kamboty ny mpiray firenena.
Ny mpiray firenena.

O, o, o.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Anisha Jo
Hits : 480
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 05/11/2023 18:48
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752