FATRATRA TOKOA NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA ANTSIKA (Amap SOAVINA EKAR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fatratra tokoa ry Ray! ny fitiavanao anay,
(Koa)mbola indreto izahay!
Mpanompo nahatoky anao hatramin'izay.
Niaina tamin'ny fitiavan'Kristy }
Teo ambany fiarovan'Md Louis.}*2

Eny tsapanay tokoa izao!izany fitsimbinanao
Fa ianao tsy mba nandao,
Na mora na sarotra izay natao.
"Mandehana ataovy mpianatro ny olon-drehetra"; Izay no tarigetra
Ny evanjely notorianay(anay)
Nandritra izay fotoana izay.

140 taona izao! No nijoroan'ny fiangonanay
Nandrenesanay ny teninao,
Ka nihanoana ireo hanatra nomenao
Jesoa ô! matoky anao izahay, }
Fa ianao no niahy hatramin'izay. }
Teo ihany koa i Masina Maria ilay }
reny be fitia }
Nitantana ny dia. } *2
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Amap SOAVINA EKAR
Hits : 1432
Likes : 1 Like
Created by : miclael
Date : 17/08/2016 17:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784