Aza manahy (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Na rako-drahona ny fiainanao anio
ka mila ho kivy ianao
Ireo rivo-mahery sy tadio
mila handavo anao,
very hevitra ianao; aiza no hiantsapazana
efa ho reraka sy torovana
Tsarovy fa Ilay Mpamonjy ao ambony ao
momba sy mijery anao.
Tsy handao na hamela anao ho irery
fa eo foana hanohana
IZY no hiady ho anao, ka hampandresy anao
fa ianao kosa matokia!

Ref: Misy zava-mahagaga tsy hain'ny Tompo hatao va?
ary IZY efa nilaza taminao hoe: aza manahy
Ario ny tahotrao, ento eo Aminy ny olanao
fa IZY hamaha izany.

2- Ny fiainantsika ety dia tsy ilaozan'olana,
sento, tomany
Fa raha manana an'i Jesosy kosa
ianao dia ho maivana.
F'izay no antony niaviany, ho anao ilay tiany
hanananao fitsaharana

Ref: Misy zava-mahagaga tsy hain'ny Tompo hatao va?
ary IZY efa nilaza taminao hoe: aza manahy
Ario ny tahotrao, ento eo Aminy ny olanao
fa IZY hamaha izany.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Hits : 1777
Likes : 1 Like
Created by : Herizo15
Date : 27/03/2018 14:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727